Sie sind auf Seite 1von 2

NY FITIAVANA SY NY TSY FITIAVANA : ARETINNY MENTAL (saina) Rehefa mandalina ny fanaovana yoga isika, dia mahita fa mikorontana ny saina

aina rehefa manoloana ny zavatra tiantsika sy tsy tiantsika. Mangitakitaka isika, mahatsiaro sambatra be, rehefa mahazo ny zavatra niriantsika na rehefa misy zava-mitranga mahafinaritra lalovantsika. Mahatsiaro voakapoka mafy isika, mahatsiaro valaketraka, na koa manahy mafy rehefa tsy azontsika izay iriantsika. Miatrika izany isika mandritry ny andro: na eo ampiasana, na eo anivonny fianakaviana, na eny an-dalambe na rehefa maka toerana mitokana. Rehefa mahatsiarotsiaro ilay filaminan-tsaina azontsika eo am-panaovana mditation sy asana anefa isika, dia afaka mihoatra anizany aretinny saina izany. I Patanjali dia milaza ao aminny Sutra II. 7 fa Ny firaiketam-po (attachement) dia fifikirana aminny fahafinaretana. Noho ny konsiansy nanjary nampitovy ny tenany taminny vatana sy ny eritreritra ary ny fitadidiana dia lasa voasintonny zavatra miseho manodidina antsika isika. Ny firaiketam-po (Raga), ny tahotra ihany koa, dia vokatry ny sary an-tsaina (vikalpa) avokoa. Miseho io vikalpa io rehefa afangarontsika ilay fahasambarana faratampony ao anatintsika (ananda) sy ny zavatra ety ivelany (ohatra: mofomamy), ary dia antsointsika hoe fahafinaretana (sukham) ilay fifangaroana. Mihevitra isika fa miankina aminireo zavatra ety ivelany ireo ilay fahafinaretana. Rehefa tsy eo intsony ireo zavatra ivelany (ilay mofomamy teo) dia mahatsapa firaiketam-po isika, satria mihevitra isika fa miankina aminny fiverenanilay mofomamy ny fiverenan ilay hafaliana ao anatintsika. Ny firaiketam-po dia midika fifikirana (anusay),sy fijaliana (dukha). Na dia efa azontsika aza ilay zavatra ety ivelany, dia mbola miseho ihany ilay firaiketam-po noho ny tahotra (vokatry ny sary an-tsaina) ny mety hahaverezanilay zavatra. Raha ny marina anefa, io fahasambarana io (ananda) dia efa ao anatintsika, tsy misy fepetra ary tsy miankina aminny zavatra avy ety ivelany (sakafo, trano, namana,fiara,vola,sns). Mila mifantoka tsara fotsiny ny saina raha te-hahatsapa izany (cf. Ny yoga sy ny tanjony ) Manohy toy izao I Patanjali ao aminny andininy II. 8: Ny tsy fitiavana (aversion) dia fifikirana aminny fijaliana. Manalavitra (tsy tia) zavatra maro isan-karazany nahatsapantsika fijaliana isika. (ny fifikirana am-po aminilay fijaliana tsapantsika no mahatonga antsika hahatsapa hatrany ilay tsy fitiavana) Ny fijaliana ho anny iray anefa dia mety ho fahafinaretana ho anny iray. Ny vahaolana noho izany dia tsy misy afatsy ny tsy firaiketam-po (fiatahana anaty=vairagya), izay narosonI Patanjali mba hahafahana mihoatra ny fijaliana sy ny fahafinaretana. Rehefa mandini-tena isika, ka somary mihemotra kely mijery ilay zavatra niseho tamintsika, dia lasa mazava ny antony (i.e antonilay fijaliana na ilay fahafinaretana). Rehefa haintsika ny mikolokolo izay fomba fijery sy fahazoana (comprhension) izay, miampy faharetana sy fandeferana, dia tsy ho voakorontana intsony isika. Raha manakorontana ny filaminanny mental (saina) ny zavatra rehetra izay miseho dia tena vidiana lafo tokoa (satria tsy hisy fivoarana ara-panahy na oviana na oviana). Ny fanovana ny trangan-javatra mampijaly ety ivelany dia matetika tsy vita raha tsy ovaintsika aloha ny fomba fahitantsika ilay trangan-javatra. Ny tokony ataontsika dia ny mampifantoka ny risi-pontsika mba hampazava sy hampivoatra ny kaonsiansintsika hialana aminny tsy fitiavana ilay trangan-javatra. Aminny fomba ahoana? Ataovy ao anatinny fanahinny karma yoga avokoa ny asa rehetra ataonareo (hatraminny kely indrindra), izany hoe aza miandry valiny (vola, fisaorana, fankasitrahana,). Ataovy ho anAndriamanitra ny zavatra atao rehetra. Fanazaran-tena ara-panahy izany, mba hialana aminny fitiavana (firaiketam-po=attachement=raga) sy tsy

fitiavana (aversion=dvesa), satria mihamahazo toerana tsikelikely ao anatintsika ilay tsy firaiketam-po (fisitahana anaty na vairagya) rehefa zatra misitaka aminny valinny asa ataontsika isika. Ny fitiavana (firaiketam-po) sy ny tsy fitiavana dia tafiditra ao anatinireo fijaliana dimy voalazanI Patanjali ao aminny sutra II. 3: Ny tsy fahalalana, ny fitiavana ny tena, ny firaiketam-po (fitiavana), ny tsy fitiavana, sy ny fifikirana aminny fiainana araky ny nofo, ireo no fijaliana dimy. Sakana ho anny fahafantarana ny Tena (Soi) ireo. Vokatry ny tsy fahafantarantsika ny hoe iza marina isika dia manjary afangarontsika ny Tena sy ny tsy Tena(non Soi), ny maharitra sy ny tsy maharitra. Vokatrizany tsy fahalalana izany, dia mitombo tsikelikely ny fitiavana ny tena (gotisme). Hoy I Patanjali ao aminny andininy II. 6: Ny fitiavana ny tena dia ny fampitovizanny Hendry (ilay mahita na Purusha) ny fahefany aminny fahefanny fitaovanilay hita (prakriti) [jereo: Ny yoga sy ny tanjony]. Izany hoe ny fitiavana ny tena dia ny fampitovizantsika ny Tenantsika (Soi) aminny tsy Tenantsika (non Soi), toy ny saina (Corps Mental), ny eritreritra, ny fihetseham-po, ny fahatsapana (sensations). Izay no mahatonga ny fizarazaranny kaonsiansy. Ilay hoe Izaho tsy misy tohiny dia manjary izaho dia vatana, izaho dia fihetsehampo, Io fifangaroana eo aminny Tena sy ny tsy Tena io dia afaka esorina aminny alalanny vairagya (fisitahana anaty) sy ny fahaiza-manavaka. Aoka ho tsapanareo fa ianareo dia tsy ilay manatanteraka (vatana, saina, fihetseham po,sns) fa kosa ilay Mahita (Fanahy=Tena=Soi) .

Das könnte Ihnen auch gefallen