Sie sind auf Seite 1von 15

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA

DREN DIANA

LYCÉE MIXTE ANNEXE ANTSIRANANA

KILASY PD1

TARANJA MALAGASY

NY HASIN’NY TANINDRAZANA

Nanantanteraka : TARIKA FAHA IV

Anarana sy fanampiny Laharana


RASOATAFARANDRAINY Victoire Sylvia 42
RASOLOFO Fulgence Ocklin 43
RAVALOMANANA Romain 44
RAVAONIRINA Gisèle Erina 45
RAVOLOLONIAINA Christalia 46
RAZAFINDRAVAO Fleurisca 47
JACQUES Fredo 48
RASOANIRINA Georgine 49
ANTOLA Martinien 50
JAOZANDRY Franco 51

MPAMPIANATRA : SEHENO

Taom-pianarana 2018-2019
FISAORANA

Alohany idirana amin’ny tena votoatiny dia tianay ny haneho ny fisaorana manokana ho
aminareo rehetra izay nanaiky sy nandray izahay nandritran’ny fanaovanay ny
fanadihadiana sy fikarohana mahakasaka « NY HASIN’NY TANINDRAZANA »
Isaorana tsy ankanavaka ianreo zoky sy zandry,ianareo havana amantsakaiza,fa indrindra
ianareo Ray aman-dreny izay nanome anay sy naovozanay ny fahalalana.
Tianay ho tsindriana manokana kosa ny fisaorana an’i Ramatoa Seheno,izay
mpampianatra taranja Malagasy ato amin’ny Lycee Mixte Annexe Antsiranan,izay
mitaiza sy mamolavola anay.
Koa fisaorana mitafotafo no atolotray hoanareo rehetra izay volaza na tsy voalaza teo,fa
enga anie ny Zanahary sy ny razana izay manan-karem-pahasoavana no hitantana sy
hamaly ny soa rehetra izay vitanareo taminay.
Ary manarak’izany dia ,tianay ny hilaza fa ireto avy izahay izay tafiditra mivondrona ato
amin’ny tarika fa efatra :
RASOATAFARANDRAINY Victoire Sylvia Laharana faha 42 ;
RASOLOFO Fulgence Ocklin Laharana faha 43 ;
RAVALOMANANA Romain Laharana faha 44 ;
RAVAONIRINA Gisèle Erina Laharana faha 45 ;
RAVALONIAINA Christalia Laharana faha 46 ;
RAZAFINDRAVAO Fleurisca Laharana faha 47 ;
JACQUES Fredo Laharana faha 48 ;
RASOANIRINA Georgine Laharana faha 49 ;
ANTOLA Martinien Laharana faha 50 ;
ary i Jaozandry Franco Laharana faha 51.
FAMPIDIRANA

Anisany mampiavaka isika Malagasy eo anatrehan’ireo firenena hafa manerantany


fanajana ireo soatoavina toa ny fahendrena,izay toetra novolavolain’ny Ntaolo izay hitany
fa mnandratra avo « NY HASIN’NY TANINDRAZANA ».
Izany toetra izany dia afaka raisina ho lesona eo anivon’ny fiarahamonina ka entina miady
amin’ny zavatra mandalo amin’ny fiainan’ny tsirairay.
Ary tsara ny manamarika fa, lazaina hoe hendry kosa ny olona iray ,raha toa ka manaja
sy mampisy lanja ary koa manome hasina ny tanindrazana iainany.
Izany hasin’ny tanindrazana izany no votoatin’ny resandresaka ato amin’ity boky ity,izay
nanaovanay fikarohana manokana sy fanadihadiana.
Ka mba hahafahana hiroso tanteraka amin’ny lalaina mahakasika izany rehetra izany
dia,tianay ny hanambara eto ampiandohana fa misy fizarana andininy telo lehibe izao
vokatry ny fikarohanay izao. Ka ireto avy izany :
❖ Amin’ny andininy voalohany dia natokanay hoan’ny famaritana ny atao hoe
« hasin’ny tanindrazana » ;
❖ Fa amin’ny andininy faharoa kosa no ahitana ny marika ny fitiavantanindrazana
sy ny fahaiza miaina ;
❖ Ary ny andininy fahatelo farany no manaza ny fanjakan’i Madagasikara.
Koa mba ahafana hamelabelatra izany vokatrin’izany fikarohana nataonay izany dia,ndao
hiditra ato amin’ny andininy voalohany avy hatrany ary.
Andininy I- FAMARITANA NY « HASIN’NY

TANINDRAZANA »
I-1- Ankapobeny :
Raha ho hazavaina amin’ny fomba tsotsotra, ny teny « NY HASIN’NY
TANINDRAZANA » dia fitambaran’ny teny roa, dia :
- Ny hasina ;
- Ny tanindrazana.

I-2- Ny hasina :
Raha ara-piforonan-teny, ny atao hoe « hasiny » dia ny fanajana no sady fametrahana ny
maha izy azy ny zavatra na olona iray,izany hoe fanajana amin’ny alalan’ny tahotra
manoloana ny zavatra iray izay havaveria mialoha fa masina ,raha hamafisina.
Ka noho izany,ny hasina eto dia,ilazana ny hery tsy hita maso izay nomen’ilay nahary ny
olompirenena tsirairay avy, ka tokony ho hajaina hatrany satria avo no sady sarobidy.

I-2- Ny tanindrazana :
Ny atao hoe « tanindrazana » kosa dia fikambanan’ny teny roa ihany koa,dia ny « tany »
sy ny « razana »,izany hoe ,tany nonenany,nivelomany,navelany hoan’ny tarànany ary
ilevenany.
Ka raha dinihina sy heverina ny fivoaran’ny teny hoe ,tanindrazana io, dia afaka ilazàna
ny tanàna izy misy ny tranon-drazana ihany koa,ka tany novoleny sy mbola volen’ny
tarànany ary misy ny fasan-drazana ny tanindrazana.

I-2- Fehiny :
Arak’izany,rehetra izany,ny tanindrazana dia ilazana ny firenena na tany fiaviaviana
amin’ny ankapobeny,ivelomana ary hilevenana hatrizay hatrizay.Izany hoe,tany ,misy
olona iray rà no sady iray fiteny no iray fomba amam-panao ary iray lalam-pifehezana
amin’ny teny.

Ka moho izany,ny hasin’ny tanindrazana dia fametrahana ny lanja sy ny hasiny firenena


izay ivelomana ary tany izay ilevenana.
Andininy II- NY FITIAVAN-TANINDRAZANA

SY NY FAHAIZA-MIAINA
Samy liana @ fampivelarana ny maha olona avokoa ny rehatra ankehitriny,na ny
fikambanana tsotra ,na ireo antoko polotika,na koa ny antokom-pihavanana fa indrindra
ny fanabeazana aza moa dia tsy hay lazaina intsony.

Ka zava-dehibe hoan’ny firenena iray tokoa araka izany ny fitiavantanindrazana ka


mahatonga izany ho vaindohan-draharaham-pirenena.

Koa ,eo anatrehan’izany dia,mipetraka ny fanontaniana hoe :maha olom-pirenena tokoa


ve ny fahaiza miaina sy ny fitavan-tanindrazana ?

Noraran’i mpanjaka Ranavalona I ny hidiran’ny vahiny hafa firenena teto Madagasikara


nandritra ny fotoana izay nanjakany (1828-1861)

Ny mpanjaka ny taona 1961, noraisin-dRadama II zanany ny fitondram-panjakana .

Nisokatra tanteraka tamin’ny ivelany ity mpanjaka vaovao ity.

Niroborobro nanomboka teo ny fifandraisany Malagasy tamin’ny vahiny ka tsy nitsaha


nitombo ny isan’ireo nanorim-ponenana teto.
Andininy II- NY FANJAKAN’I

MADAGASIKARA
Araka by teny fikasan’Andriamanitra dia miditra @ dingana manaraka indray ny

tantaram-pirenena.Tampitra t@ 17 marsa 2009 ny rafitra repoblika teto

Madagasikara.Mivadika ny pejy. Miova ny tantara. Hajoron’Andriamanitra eto @

firenena ny FANJAKAN’I MADAGASIKARA,Fanjakam-pisorona. Ary misy

olombelona na vondron’olona na firenena vahiny ahasàkana izany,hoy ny Andriana

RABARIOLINA Ndriana,mpitarika ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana

eto Madagasikara.

1. NY TANJON’NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA :

Araka ny teny Fikasan’Andriamanitra ,ny tanjon’ny Fanjakan’i Madagasikara ,fanjakam-

pisorona,dia ny fanomezamboninahitra an’i Zanahary , ny Fijoroana ho

vavolombelon’Andriamanitra manerana ny tany, ny Famonjena sy ny Fiadànan’ny

tompontany tsirairay sy ny firenena manontolo,ary ny fiarovana ny tanindrazana sy ny

fiadam-pirenena mba ho marikan’ny hasin’ny tanindrazana.

Ary manana adidy masina sy andraikitra goavana eo amin'nyfanarenana ny firenena ny

tompontany rehetra eto amin'nyfiaraha-monina,ao anaty faritra samihafa kanefa

mifameno ,toy ny ankizy, ny tanora, ny tantsaha, ny mpiasam-panjakana na ny tsy

miankina, ny mpandraharaha, ny avara-pianarana, ny mpiray tanindrazana any ampitan-

dranomasina,ny foloalindahy,ny olobem-pirenena,ny raiamandreny ara-panahy ,ary

indrindra ny ampanjaka sy ny zanakandriana isam-paritra manerana ny Nosy.

2. ZANAHARY NO FOTOTRY NY FANJAKANA :

Zanahary ,Andriamanitra andriananahary,mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, no fototry

ny FANJAKAN’I MADAGASIKARA, Fanjakam-pisorona. Andriamanitra

andriananahary dia fanahy, tokana,mandrakizay,tsy manam-


pahataperana,mahaleotena,mahavita

tena,fitiavana,fahazavana,fiainana,fahatsarana,masina ,marina, tsy miangatra mpamindra

fo,tsy toha sy mahery indrindra,mahita ny zavatra rehetra, mahafantara ny zavatra

rehetra,mahefa ny zavatra rehetra, masimandid,ilay tokana loharanon’aina sy loharanom-

pitahiana, ary tonga lafatra.

Ary araka ny teny Fikasan’Andriamanitra, lohasoa masina(Jesoa ilay mesia),

Zanakandriamanitra,tena andriamanitra ary tena olombelona,ilay teny tonga nofo,ilay

mpaminany lehibe indrindra,ilay mpisorona be mandrakizay, ilay mpanjaka masina

indrindra,ilay tokana mpamonjy izao tontolo izao, izay mivavaka mandrakizay hontsika

eo ankavanan’i Ray tsitoha any andanitra ,ilay mpanjakan’ny mpanjaka sy tompon’ny

tompo no mpiaro an’i Madagasikara hatramin’ny namoronan’Andriamanitra ny tany.

Ary araka ny teny Fikasan’Andriamanitra, voalazan’ny maminany efa hatry ny ela, dia

hoy i jesoa tompo : Ahy Madagasikara ! Eo ampelatanako io ! Mpiady mahery aho !

Izaho no Foloalindahy sy miady mandresy !Ary tsy tsy misy firenena vahiny intsony

haharobaka an’i MADAGASIKARA .Ary zanahary,Andriamanitra andriananahary, no

tompon’ny fahefana sy ny fanjakana,ary izy no mampindrana izany @ tompontany mba

hanaovany ny sitrapon’Andriamanitra.

3. NY FOTOTRA FITO IORENANA’NY SOATOAVINA SY NY

KOLOTSAINAM-PIRENENA :

Ny fototra fito iorenana’ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena nandritra ny arivo taon

amaro nifanesy eto @ tany sy ny firenena ,dia ireto avy :

1) Ny FANAJANA : Ny fanajàna an’i Zanahary no voaloham-pahendrena. Manaraka

izany,ny fanajàna ny mpanjaka izay filoham-panjakàna, ny ampanjaka, ny mpiara-


belona, ny fanànan’ny tompontany, ny vahoaka isan-karazany, ny harempirenena ary

ny tontolo iainana.

2) NY HASINA : izay hery tsy hita maso avy @ zanahary,ary omeny ny olompirenena

tsirairay avy,ary mbola avo sy sarobidy noho ny zon’olombelona, ka tokony hajaina

hatrany. Ny hasin’ny tanindrazana satria Masina ny tanindrazana, ka tokony hajain’ny

rehetra ary tsy azo alain’ny vahiny na omena na hatakalo na hamidy @ izy ireo. Ny

hasin’ny tenindrazana,izay tenim-pirenena tranainy indrindra eran-tany ,avo lenta, ka

tokony andrianina hatrany eto @ firenena. Ary indrindra ny Hasin’ny zava-boary

noforonin’i Zanahary eto Madagasikara. Zava-boary izay anisan’ny tranainy

indrindra eran-tany, ka mila harovana haingana sy tanteraka mba tsy ho lany

tamingana. Aoka izay tena ilaina ho an’ny olom-pirenena ihany no ampiasaina @

fomba tsy manimba ny tontolo iainana. Ary adidy masina ny fandraisan’anjara ny

olom-pirenena rehetre @ famerenana an’i Madagasikara, ilay tany fototra, ho feno ala

maitso.

3) NY FAHAMARINANA, eo @ fisainana, ny fiteny, ny fihetsika, ny atao, ary

indrindra @ fitsarana : tsy mitanila, tsy miangatra,tsy miangatra,tsy mandainga, ary

manaraka ny rarainy sy ny hitsiny.Mba ho olompirenena mijoro @ fahamarinana

hatrany.Satria Andriamanitra dia fahamarinana. Ary azaa adino ny fanajàna ny

fitsarana nenti-pharazana, izay iainana mandraka ankehitriny,ary miainga @ dina sy

ny soatoavina maro isankarazany eo @ fiaraha-monina.

4) NY FIHAVANANA, @ Andriamanitra voalohany indrindra, ary manaraka izany ny

fihavanana eo @ mpiara-belona, indrindra ao @ samy tompontanana, mahay

mifankatia, mahay mifamela heloka, mba hiasan’ny fiaraha-monina mirindra.

5) NY FIRAISANKINA, eo @ samy tompontany . Samy mandray anjara ny

olompirenana rehetra, araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta nomen’i


zanahary, ho @ zavatra tsara hatrany, tsy mifanitsaka na mifampitsabaka fa

mifameno, ho famonjena sy ha fampivoarana ny olom-pirenena tsirairay, ary ho

fampandrosoana ny firenena sy ny tanindrazana.

6) NY FIAROVANA NY TANINDRAZANA, izay nomen’i Zanahary ho antsika

tompontany. Firenena anisan’izay manakarena indrindra eto ambonin’ny tany i

Madagasikara. Anjarantsika tompontany ihany koa no mitrandraka ny harenan’ny

firenena, na any manodidina ny akora ho voakaly, izay vao mivarotra azy eto

antoerana, na any ivelany raha ilaina izany. Homen’i Zanahary atsika ny zavatra

rehatra ilaina @ izany.

7) NY FIAROVANA NY FANDRIANAM-PIRENENA, izay adidy sy andraikitry ny

tompontany rehetra, manomboka eo @ fonkontany ka hatrany @ Fanjakana foibe. FA

hoy i Jesoa tompo : Izay rehetra manohitra an’i Madagasikara dia ho voaroaka! Tsy

misy olona mahay mifandahitra @ hevitr’Andriamanitra.


FAMARANANA

Eto ampamarànana dia tsara no manamarika fa sarobidy tokoa amin’ny Malagasy ny


tanindrazana. Ka izany no naha nahatonga hatramin’ireo Ntaolo aza loabava ka namoaka
ireo ohabolana amam-pomba fitenenana maromamaro manaporofo izany,tahaka izay
hotanisaina manaraka ireto :
❖ « Aleo mahantra an-tanindrazana,toy izay malahelo any an-tanin’olona »
❖ «Ny fitiavana no lovasoan’ny taranaka» ;
❖ «Izay mandoro tanety dia mandoro tanindrazana»
❖ «Manan-kasina ny tanindrazana ka mahasify raha amidy»
❖ «Tanindrazan’ilay jamba ka,izay diavin’ny tongotra dia tanindrazana avokoa»
Ka aoka ary isika zanaka aty afara,ka hatramin’ny taranaka sy fara-mandimby mba
hametraka sy hanaja hatràny izany « hasin’ny tanindrazana » izany,fa tsy misy ny maha-
ratsy azy.
IREO LOHARANO :

❖ Trano-kala :
▪ www.google.mg ;...
❖ Fanadihadiana :
▪ Trano faman-kiam-boky Diego-Suarez (BLP) ;…
FAMANTARANA PEJY :

FISAORANA.................................................................................................................... 2

FAMPIDIRANA ............................................................................................................... 3

Andininy I- FAMARITANA NY « HASIN’NY TANINDRAZANA » .......................... 4

Andininy II- NY FITIAVAN-TANINDRAZANA SY NY FAHAIZA-MIAINA ........... 6

Andininy II- NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA ..................................................... 8

FAMARANANA ............................................................................................................ 13

IREO LOHARANO ....................................................................................................... 14

Das könnte Ihnen auch gefallen